1 Timothy 5

1Aza mibedy ny lahy antitra. Fa kosa, anaro toy ny ray izy. Anaro toy ny rahalahy ireo lehilahy tanora. 2Anaro tahaka ny reny ireo vavy antitra, ary ireo vehivahy tanora toy ny anabavy ao amin’ny fahadiovana rehetra.

3Manajà ireo mpitondratena, ireo tena mpitondratena. 4Fa raha manan-janaka na zafikely ny mpitondratena iray, dia avelao izy ireo aloha hianatra haneho fanajana ao amin’ny tokantranony. Aoka izy ireo hamaly babena ireo ray aman-dreniny, satria ankasitrahan’Andriamanitra izany.

5Fa ny tena mpitondratena dia navela ho irery. Mametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra izy. Mitoetra hatrany amin’ireo fangatahana sy vavaka andro aman’alina. 6Na izany aza, ny vehivavy izay miaina ho an’ny fahafinaretana dia maty, na dia mbola velona aza izy.

7Torio izany zavatra izany mba tsy ananan’izy ireo tsiny. 8Fa raha misy olona tsy manome ho an’ireo havany akaiky, indrindra ho an’ireo izay ao amin’ny ankohonany, dia nandà ny finoana izy ary ratsy lavitra noho ny tsy mpino.

9Aoka hosoratana ho mpitondratena ny vehivavy izay tsy latsaky ny enimpolo taona, vehivavy iray izay vadin’ny lehilahy iray. 10Tokony ho fantatra noho ireo asa tsara izy, na nikarakara ireo ankizy, na ihany koa nampiantrano ireo mpivahiny, na nanasa ny tongotr’ireo mpino, na nanamaivana ny ory, na nanolo-tena tamin’ny asa tsara rehetra.

11Fa ho an’ireo mpitondratena mbola tanora kosa, dia aza manaiky ny hanoratra azy ireo ao anaty lisitra. Fa rehefa milavo-lefona amin’ny filan’ny nofo hanohitra an’i Kristy izy ireo, dia te-hanambady. 12Amin’izany izy ireo dia hahazo fanamelohana satria namadika ny fanoloran-tenany voalohany. 13Ka dia lasa zatra malaina koa izy ireo. Mandehandeha mitety trano. Tsy hoe lasa malaina fotsiny ihany izy ireo, fa lasa mpifosa sy mpila ady ihany koa. Miteny zavatra izay tsy tokony ho teneniny izy ireo.

14Noho izany dia tiako hanambady ireo vehivavy mbola tanora, hiteraka, hikarakara tokantrano, mba tsy ahafahany manome irika ny fahavalo hiampanga anay ho nanao ratsy. 15Fa ny sasany efa nivily sahady hanaraka an’i Satana. 16Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hanampy azy ireo, mba tsy hanavesatra ny fiangonana, mba hahafahany manampy ireo tena mpitondratena marina.

17Aoka ireo loholona izay manapaka tsara mba ho raisina ho mendri-boninahitra avo roa heny, indrindra ireo izay miasa miaraka amin’ny teny sy amin’ny fampianarana. 18Fa hoy ny Soratra Masina hoe: “Tsy tokony hanisy fehiny ny vavan’ny ny omby ianao raha mbola mively voa izy.” ary koa: “Ny mpiasa dia mendrika ny karamany.”

19Aza mandray fiampangana manohitra ny loholona iray raha tsy misy vavolombelona roa na telo. 20Ahitsio eo anatrehan’ny rehetra ireo mpanota mba hatahotra ny ambiny hafa.

21Mandidy anao mafy aho eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’i Kristy Jesosy ary ireo anjely voafidy, mba hihazonanao ireo didy ireo tsy misy fitsaratsarana ary mba tsy hanaovanao na inona na inona amin’ny fiandaniana. 22Aza maimaika mametra-tanana amin’iza na iza. Aza miray ao amin’ny fahotan’ny olon-kafa. Tokony hitazona ny tenanao hadio ianao.

23Tokony tsy hisotro rano intsony ianao. Fa kosa, tokony handray divay kely ianao ho an’ny vavony sy ireo aretinao mateti-pitranga. 24Ny fahotan’ireo olona sasany dia fantatra miharihary, ary izy ireo dia mandeha alohan’ireo ao amin’ny fitsarana. Fa ny ota sasany manaraka avy aty aoriana. Toy izany ihany koa, misy asa tsara fantatra miharihary, saingy ireo sasany aza dia tsy azo afenina.

25

Copyright information for PltULB